Tantaran'ny serasera
Takelaka fampahafantarana fohifohy ny serasera.orgFampidirana
Nateraka hiombona sy hifandray amin'ny manodidina azy ny olona... raha tsy izany dia tsy ho "nateraka" izy. Vao teraka izy dia niankin-doha ary mandra-pahafatiny dia tsy hahavita tena. Mety hihambo ho olona afaka izy saingy ny fahafahany dia mbola fiankinana amin'ny fijerin'ny hafa ihany. Na ao anatin'ny fahanginana tanteraka aza izy... dia mbola mifandray ihany satria endriky ny fifandraisana izany. Fifandraisana ny olombelona, fiombonana sy firaisana. Izany toetra izany no mahatonga azy tsy maintsy hifanerasera, hiserasera, hila serasera. Fiainana izany ny serasera... ka manaraka ny onjam-piainana sy ny fivoatry ny fiainana. Koa amin'izao fivoaran'ny teknolojia izao dia mandray ny toerany ihany koa ny serasera. Serasera amin'ny alalan'ireo fitaovam-pifandraisana isan-karazany... fa ny tanjona dia iray ihany, fiombonana sy firaisana.Tantara
Resadresaka teo antokontanin'ny oniversité anakiray nianarako tany Nairobi Kenya momba ny mety hifampitam-baovao ho an'ireo Malagasy am-pielezana no fototry ny serasera. Tany amin'ny taona 1999. Rehefa natao ny fanadihadiana dia efa nisy ny fitehirizana ny adiresy imailaky ny Malagasy am-pielezana maro nampiasaina tamin'io fifampitam-baovao io. FBRA sy FBRA2 no anarany. Rava anefa io tamin'ny volana Jolay 1999. Nipoitra ary ny hevitra hananganana azy indray amin'ny anarana hoe Serasera Malagasy. Nokarohana ny fitaovana hanampy koa dia nofidina ny eGroups izay nanolotra izany fitaovana izany maimaim-poana. Ny 3 oktobra 1999 no nisokatra voalohany ny Serasera Malagasy. Niainga tao Nairobi Kenya ny fitantanana. Nasaina handray anjara tamin'izany ireo Malagasy rehetra tratra antso. Nampiasaina ihany koa ilay lisitra hita tao amin'ny takelak'i Tahiry nikarakara ny FBRA2. Nahatratra 800 mahery ny adiresy nasaina tamin'ny voalohany. Ny ankamaroan'ireo adiresy ireo anefa dia efa tsy nandeha intsony. Vokany dia 300 mahery kely no nanaiky hisoratra anarana. Nandritra ny telo volana dia mbola nifampitady tamin'ny fitantanana sy ny sivana isan-karazany. Mbola nosokafana mantsy ny lisitra, izany hoe afaka manoratra daholo na ny olona hafa ivelany aza. Betsaka ihany koa ireo nangataka hiala sy nangataka hiditra. Voambolana nalaza tamin'ny FBRA2 ny hoe "mangataka kintana", izany hoe mangataka mba tsy handray hafatra intsony... dia mbola notohizan'ireo zatra izany teto amin'ny serasera.Dia nivoatra tsikelikely ny serasera. Nandritra ny fifanakalozana teo anivon'ny Serasera anefa dia nandre aho fa misy ihany koa seham-pifandraisana toa ny serasera niainga avy any Suisse. I Rao no nitantana azy, serasera@caoserv.ch ... ary toa efa nipoitra talohan'ny Serasera izay niainga avy tao Nairobi ilay izy. Niezaka niditra tao aho ary nifandray tamin'i Rao sao mety hisy ny fanakambanana ny Serasera roa tonta. Tsy tanteraka anefa izany satria tsy mitovy, hoy izy ireo, ny tanjona kendrena. (Io no andikako ny teny hoe cibles samihafa). Koa dia niara-nisy sy niara-nampiasaina teny ary ny Serasera roa.
Zavatra maro no nifamahofaho tamin'ny taona voalohany nisian'ny Serasera. Teo ny olana isankarazany izay nila hahakivy. Ny olana pôlitika nisy teo anivon'ny mpiserasera. Ny tsy fifankahazoan'ny firehan-kevitra. Ny fanaratsiana sy ny fanambaniana mihitsy aza avy amin'ny Malagasy mitovy rà amin'ny tena. Maro lavitra koa anefa ireo fankaherezana avy tamin'ny namana mpiserasera. Tsy vitsy ny fifandraisana niorina. Nanjary nifankahalala ny olona samihafa fihaviana. Nifanampy sy nitady vahaolana tamin'ireo olana nitranga tao Madagasikara. Tsy ho voatonona eto ny anarana fa betsaka ny nankahery manokana.
Notohanana tamin'ny fananganana Vohikala (Site Web, araka ny fandikan'i Sahoby) ny Serasera Malagasy izay notantanako. Nandritra ny herintaona dia nandramana tamin'ny fampiantranoana ny Serasera ireo mpampiantrano nalazalaza toa ny Free.Prohosting, VirtualAve. Mbola tsy ampy anefa ny fahaizana teo amin'ny fitantanana ny haitao koa nitsipozipozy ny Vohikala. Tamin'ny taona 2000 dia napetraka tao amin'ny geocities.yahoo.com aloha mandra-pitady ny vahaolana. Taorian'izay no nahita ny Free.fr izay mpampiantrano vohikala maimaimpoana sy mampiasa ireo haitao vaovao toa ny PHP sy ny MySQL. Ireo haitao ireo dia ahafahana manamboatra takelaka amin'ny fomba tsotra sy ahafahana mitahiry zavatra maro. Nihanalaza rahateo izany haitao izany ka maro ny olona nianatra azy. Dia rafitra nianatra izany koa aho. Ny olana anefa dia avy any Frantsa ihany no ahafahana mahazo ilay Free.fr. Nanomboka teo ary ny fiaraha-miasa akaiky tamin'i Doc Strange izay nanaiky hikarakara ny fangatahana ny fampiantranoana ny serasera.free.fr. Nandritra ny herintaona izany dia tao amin'ny http://serasera.free.fr no niantrano ny Serasera Malagasy. Taty aoriana rehefa hita fa tokony hanana ny anarana manokana ny Serasera dia tapaka ny hevitra fa hanofa lohamilina koa dia nalaina ny anarana serasera.org izay mifanentana kokoa amin'ny sehatry ny fifandraisana sy fikambanana. Nisy ny vola niala tamin'izany fampiatranoana izany izay mbola isaorana manokana an'i Doc Strange amin'ny fitantanana azy. Nanomboka tamin'ny volana Aogositra 2002 ary dia nampiantranoin'ny OVH (Frantsa) ny serasera.org. Nanomboka teo ny adintsaina :-) tamin'ny fitadiavam-bola hanohanana ny serasera.org. Vokatry ny fanampian'ny namana anefa dia hita hatrany izany.
Tsy nitsaha-nitombo ny serasera.org ka tsy zakan'ny plans tao amin'ny OVH intsony koa dia voatery nitady toerana hafa. Teo no nanomboka koa ny adintsaina tamin'ny fitadiavana toerana hampiantrano. Nivezivezy tamin'ny Lunarpages.com, ny midphase.com sns... fa mbola tsy nahazaka azy ihany (Tsy maintsy nampifandanjaina ny vola kely sy ny toerana tadiavina). Farany dia tapaka ny hevitra fa hiditra amin'ny Serveur Dedié ny serasera.org. Mbola lafo be ny serveur dédié satria 99$ isam-bolana koa dia nihafy tamin'ny VDS (Virtual Dedicated Server) tao amin'ny rosehosting.com aloha (29$/mois). Tsy ampy indray anefa ny mémoire nomendry zareo ka dia voatery nifindra. Amin'izao fotoana izao dia mbola ao anaty VDS ny serasera.org fa mba efa mitomboka kokoa. Eo amin'ny 40$ isambolana eo no ampiasaina amin'izany. Ny faniriana anefa dia ny mba ahafahan'ny serasera.org manana serveur dedié tanteraka mihitsy. Izany hoe eo amin'ny 100$ isambolana eo. Arakaraka ny vola eo am-pela-tanana no hanaovana izany.
Amin'izao fotoana izao dia efa maromaro ny takelaka vokarin'ny serasera.org ary mbola maniry ny hanamboatra hafa izahay arakaraka ny fotoana sy ny toe-bola. Eto no ahitanao ireo takelaka vokarin'ny serasera.org amin'izao fogoana izao.
Ankoatran'ny takelaka anefa dia efa nisy koa ireo fihaonana isankarazany izay nataon'ny namana na tao Madagasikara izany na tany ivelany. Fihaonana nifankahafantarana, nieritreretana tetikasa sy ny sisa... azonao jerena ao amin'ny tahirintsary ireo sary vitsivitsy mirakitra izany fihaonana izany