Ny momba ny ara-bola
Ny eo amin'ny fitantanana ara-bola dia mahaleo tena tanteraka ny serasera.org. Ny zavatra vokarin'ny serasera.org dia maimaim-poana avokoa. Tsy misy vola alaina amin'ny mpikambana. Misy anefa ireo zavatra ilàna vola toa ny fanofàna ny lohamilina sy ny fampiantranoana ny serasera.org. Ny hany loharanom-bola hatramin'izao dia ireo dokambarotra vitsivitsy sendra mba azo. Fa ny tena zava-dehibe dia ny fanomezan'ny malala-tanana. Raha toa ka misy vonona hanolotra fanampiana dia misy toerana azo hanaovana izany eto ambany.Ny momba ny tetikasa tsirairay amin'ny teny Frantsay dia azonao jerena eto.