Nohavaozina ihany koa ny takelako

Submitted by: hery
On: 20/06/2009

Nohavaozina ihany koa ny takelako androany. Manomboka izao dia mampiasa ilay Solaitra vaovao (CI-CMS under GNU/GPL2) ihany koa ity takelaka ity. Ny fomba fiasa dia tsy miova, fa nohatsaraina fotsiny ny lojika. Mahafinaritra koa fa manaiky tsara ny lojika itondrako azy ny mpiara-miasa amin'ny fanamboarana ilay Solaitra.

Ezahina hohatsaraina tsikelikely amin'izay koa ity takelaka ity amin'izao fa mba efa mazotozoto manao azy.